Afaka mitaky ny zony ny kristianina ao amin'ny Fiangonana. Tsy maintsy mandalo fanamarinana anefa izany, mba hahafahan'ny tribonaly eo amin'ny Fiangonana mamakafaka sy manome ny rariny. Ohatra: ny tsy fahavanonan'ny mariazy. Misy dingana arahina, araka ny lalàn'ny Fiangonana, amin'ny fitakiana io zo io. Fanazavana entin'ireo pretra ao amin'ny tribonaly ekleziastika.
Nitondra fampivoarana amin'ny seha-pamokarana eny ambanivohitra ny nananganana ireo ivon-toeram-piofanana mivondrona ao amin'ny FECAMA (Federation des Collège Agrioole de Madagascar). Miisa 5 ireo kolejy mivondrona ao aminy, miparitaka any amin'ny faritra dimy samy eo ambany fiahian'ny vovonam-pikambanana FIFATA avokoa...
Tsy misy teraka tonga dia Mpandraharaha-Masina fa ny tontolom-pivoaran'ny fiainana no mahatonga ny olona iray ho amin'izany lalana izany. Ny tontolo mamolavola ny fiantsoan'Andriamanitra dia ny fianankaviana, ny fiaraha-monina, ary ny ankohonam-piangonana. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
♦ Efa vonona amin'ny fandraisana ny JMJ Mada X, ny Faritra Vakinankaratra. Androany alakamisy ny no napetraka ny lapihazo sy ny "chapiteau" lehibe handraisana ny hetsika, hoy ny Governora any an-toerana... ♦ Ahiana hiverina indray ny kere any amin'ny faritra atsimo, raha tsy mahazo rotsak'orana ato anatin'ny enim-bolana farafahatarany. Nanazava momba ny ady amin'ny hanoanana any an-toerana, ny Governoran'Androy androany... ♦ Mbola tsy misy fandraisana andraikity Governemanta hatramin'izao, momba ny lalaon'ny nosy hotanterahana eto amintsika...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco