Ny olombelona dia miavaka noho ireto antony ireto : ny fananana fihetseham-po sy ny hafaliana lehibe raha misy aina vaovao teraka eto an-tany ; raha misy zavatra mampijaly ny aina dia mihetsi-po malahelo ary ory tokoa ny olona manoloana ireo namana voan'izany ; raha misy fahafatesana dia mahatsiaro malahelo ary maneho fisaonana mihitsy. katesizy momba ny hasarobidin'ny aina, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.
♦ Miisa roa amby telopolo ireo diakra nohamasinina ho pretra tao amin'ny Diôsezin'Antsirabe tamin'ny sabotsy 6 aogositra 2022, fankalazana ny niovan'ny Tompo tarehy... ♦ Tao amin'ny Diôsezin'Ambositra dia dimy ireo nohamasinina ho pretra ary fito ireo nohamasinina ho diakra... ♦ Telo mirahavavy ireo masera, avy ao amin'ny fikambanana Filles de Marie Auxiliatrice, nanonona ny voady mandrakizay tany Betafo, Diôsezin'Antsirabe, toerana izay iasan'izy ireo...
Alahady 7 aogositra 2022 — Alahady fahasivy ambin'ny folo mandavantaona — Mitenena, ry Tompo, fa mihaino ny mpanomponao. Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 32-48
Ny aty sy ny sarakaty dia taova mifanakaiky ary mifameno ny asany. Tsy voatery hisy fifandraisana amin'ny aretina mahazo ireo taova ireo ny fisehoana aretin-koditra. Ny toerana misy ireo taova ireo : ny aty dia manakaiky ny vavony amin'ny ilany avanana somary ambony ; ny sarakaty kosa dia eo ambanin'ny vavony. Ny tranga hamantarana fa misy aretina mahazo ireo taova ireo : Manompy mavo na misy tasy mena ny hoditra, mangidihidy ny vatana manontolo, mamofona ny ativava, matetika manana olana amin'ny fivalanana (mitohina na mivalana), rera-dava, mavesatra ny ilany avanana raha ny aty no marary, ary ny avia raha ny sarakaty no misy olana.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco