Tsy afaka misaraka amin'ny fianakaviana ny tontolo misy azy, dia ny fiaraha-monina izany. Mampandinika ilay fomba fiteny hoe : " lazao ahy izay mifanerasera aminao dia lazaiko hoe iza ianao". Araka izany dia manana anjara amin'ny famolavolana ny olona ny fiaraha-monina. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
♦ Pretra 15 sy diakra 16 no nohamasinina nandritra ny Andron'ny Diôsezin'Antananarivo, ny 27 aogositra 2022... ♦ Hanao fanomanam-panahy ao Ifanadiana, ny tanoran'ny Diôsezin'i Mananjary, ny 30 aogositra, hamonjy ny JMJ Mada X... ♦ Tao Ambilobe no nakalazana ny Sorona Masina fanirahana ny tanoran'Antsiranana ho any Antsirabe... ♦ Aoka mba no renivohitry ny famelan-keloka i Aquila, hoy ny Papa François...
Alahady 28 aogositra 2022 — Alahady faharoa amby roapolo mandavantaona — Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 14, 1. 7-14
Ny toerana misy ny voa : ao ambadiky ny kibo, amin'ny ilany avia sy havanan'ny hazon-damosina. Miisa roa ny voa amin'ny ankapobeny fa misy ihany ny olona tsy manana afatsy iray, anefa mahavita ny asany tsara ihany io taova io. Ny asan'ny voa : manivana ny singa entin'ny ra, mandanjalanja ny filàna rano, mitazona ireo mineraly ilain'ny vatana, mandanjalanja ny asidra ilain'ny vatana, mamokatra hormnonina. Fambar'aretina : mipipi ra, mandroatra ny pipi, mahatsiaro reraka, manaintaina ny faritry ny kibo na ny lamosina, marary ny vanin-taolana, te hivalan-drano matetika...
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco