Alahady 28 aogositra 2022 — Alahady faharoa amby roapolo mandavantaona — Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 14, 1. 7-14

Toetra anahafana an’Andriamanitra, nasehon’i Kristy indrindra no rentsika tamin’ny Evanjely teo, dia ny hahaizana manetry tena. Fiainam-panahy lalina maneho ny tsy maha lavorary antsika io no sady fomba entintsika manatona an’Andriamanitra, fa indrindra mandray avy Aminy ny valisoa nampanatenainy antsika.

Teo anatrehan’ny fombantsika olombelona no nitondran’i Kristy fampianarana ho antsika, rentsika tamin’ny Evanjely teo. Antony :

1. Te hampianatra antsika ny fomba maha Andriamanitra Azy Izy.
Fil 2, 8-9. No manambara miharihary ny fanetren-tena nasehon’i Jesoa, Andriamanitra fa nanaiky ho tonga olombelona, nilatsa-tena ho mpanompo ary tsy mba nila sitrany na nirehareha tamin’ireo asa mahagaga nataony. Manitsy sy manohitra ny fombantsika olombelona ny te hisongadina, te homena sehatra mba ho hitan’ny maro, toetra hita taratra tao amin’ireo Farisianina tonga tao amin’ny fanasana. Fomban’Andriamanitra miasa mangina, ary raha mahavita asa tsara aza tsy mba mirehareha, izay ilay fanetren-tena, toetra sy fomba enti-miaina nampianarin’i Kristy ny Mpianany.

Maro ireo naneho tamin’ny fiainany ny atao hoe : fanetren-tena ary efa sambatra ankehitriny. Naka tahaka an’i Kristy Mpampianatra toa an’i Masina Maria, Ilay Ankizivavin’ny Tompo, ry masimbavy Thérèse n’i Jesoa Zazakely, sy ireo olomasina maro tsy tambo isaina. Izy ireny no nanohy tao amin’ny fiainany ny lalam-piaina natoron’i Kristy sady tonga ohatra tahafina ho antsika mikatsaka ny Fiainana mandrakizay. Tsy fanaovana tsinitsinona ny maha izy azy ny tena akory ny fanetren-tena fa hatsaram-panahy iainana ny toetr’ilay Andriamanitra Raintsika.

2. Tsy isika velively no hanome voninahitra ny tenantsika fa Azy Andriamanitra izany.
Tsy anjarantsika na oviana na oviana ny hamaritra izay ho antsika na hametraka ny tenantsika amin’izay tiantsika. Ny asa sy ny toe-panahy ary ny fiainantsika no ahazoantsika voninahitra sy fisandratana eo anatrehan’Andriamanitra. Hitantsika indrindra izany amin’ilay voalazan’i Masindahy Marka 10, 35-40, momba ny fangatahan’i Jakoba sy i Joany zanak’i Zebede, hipetraka eo ankavia sy ankavanan’i Kristy any amin’ny voninahiny. Ary mazava ny valinteny nataony azy ireo fa misy lalam-piainana izorana sy tsy maintsy zakaina mba hahazoana voninahitra ao amin’Andriamanitra fa tsy angatahina fotsiny ihany : dia ny hiaina am-pahamarinana sy am-panetren-tena. Izany hoe : hampifanaraka mandrakariva ny fiainantsika araka izay sitrak’Andriamanitra sy tsy hirehareha, hisora-tena toy ny voatango.

Any amin’Andriamanitra no hiafarantsika sy tanjon’izao fiainana diavintsika izao koa meteza haka tahaka Azy, meteza hiaina ny fombany dia mba ho hita taratra dieny ety an-tany, amin’ny fombam-piainatsika manara-dia an’i Kristy ny endri-piainana ao an-danitra.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...