Ao anaty herinandro faha-roa amin’ny Karemy isika. Hodinihintsika manokana mandritra ny herinandro ireto hatsaram-panahy roa lehibe izay mifototra indrindra amin’ny fiainana maha-kristianina antsika tsirairay avy : « Fangorahana sy fahalalan-tanana ». Fandinihina masina iarahana amin'ny Fr. Michel Fabrice Razafimandimby, sdb.
Alahady 13 marsa 2022 — Alahady faharoa amin'ny Karemy — Tao anatin’ny rahona mamirapiratra, re ny feon’ny Ray nanao hoe: "Ity no zanako malalako, henoy Izy" — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 9, 28b-36
Ezaka maharitra ny fiezahana ho lavorary. Faniriantsika olombelona rehetra, indrindra fa ho antsika kristianina ny ho lavorary ary ny hahatongavana amin’izany no mahatonga antsika samy manao ezaka isanandro, indrindra amin’izao karemy izao. Fandinihana masina iarahana amin'i P. Aimé Olivier Mahatsangandrainy,Sdb
Hankalaza ny faha-30 taona nijoroana ny Foibe FAFIALA amin'ity taona ity. Hotanterahana any amin'ny volana jolay na volana aogositra 2022 ny ivon'ny fankalazana raha toa ka ny volana avrily izao no saika hanatanterahana azy.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco