♦ Notanterahina ny 15 oktobra 2021 tao Ampasanimalo ny fanaovam-beloma farany an'i Masera Soszynska Krystyna, FMA... ♦ Nanomboka androany ny dinika momba ny Sinaodin'ny Eveka, ho an'ny Diosezin'i Morondava sy Tsiroanomandidy... ♦ Nosokafana ny 7 oktobra 2021 ny taom-pianaran'ny Sekoly katolika ho an'ny Diosezin'Antsiranana...
Herintaona mialohan'ny hahataperan'ny tetik'asa Fy Vary, nahitam-bokany ny fkarohana natao mba hampiroboroboana ny teknika famokaram-bary ho an'ireo faritra telo iasany : Vakinankaratra, Analamanga ary Alaotra-Mangoro.
Fotoam-pahasoavana ny Sinaody, hoy i Mgr Benjamin Marc Ramaroson, Arsevekan’Antsiranana, ka manentana ny rehetra tsy ankanavaka izy mba handray anjara amin’ny fanomanana ny sinaodan’ny eveka hofaranana amin’ny oktobra 2023.
Ny kolontsaina " ny tokontrano tsy ahahaka" dia avy amin'ny soatoavina maha-malagasy ary ny fijery maha-kristiana. Misy fetrany ihany anefa izany raha tonga any amin'ny tsy azo hanoharana ka ilàna ny fanampian'ireo olona natokana ho amin'izany.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco