Ny mpiara-miombon'antoka dia tokony iaina ny fahamarinana, ny fifampitokisana ary ny fifanajana. Ireo toetra fototra ireo dia hampiarina amin'ny sehatra rehetra izay hisian'ny fiombonan'antoka. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
Ny fampinonoan-dreny dia dinga iray eo amin'ny fitondrana ny zanaka ary adidin'ny reny. Ny fotoana ahafantarana fa mitondra vohoka ny vehivavy dia efa tokony hivonona amin'ny fampinonona izay ho reny. Ny nonon-dreny dia manampy ny zaza amin'ny fitomboany satria mbola marefo ny taova ao anatiny, sady sakafo no vaksiny ho an'ilay zaza. Ny fampinonoan-dreny dia manampy ny reny hamerina ny toe-batany sy ny taova rehetra. Ny fampinonoan-dreny dia atao tsy misy fangarony anatin'ny 6 volana.
14 jona 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahafolo Madavantaona — Taona tsy ankasa — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 17-19)
♦ Notanterahana androany teny amin'ny EKAR Antanimena, ny Sorona Masina fitsofan-drano sy fanirahana an'i Mgr Rakotojaona Jean Nicolas, voatendry ho Eveka Mpanampy any amin'ny Diôsezin'i Morondava... ♦ Nanomboka androany ny andiany faharoa amin'ny fikaonan-doha eo amin'ny fanjakana sy ny mpandraharaha mpisehatra ara-pambolena, na ny Forum B2B. Mampiantrano fihaonana iraisam-pirenena avo lenta momba ny lalam-piariana cacao ihany koa i Madagasikara...
• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco