Tsy eken'i Jesoa ny fahefana mamoritra sy ny fahefana jadona ampiharin'ireo mpitondra amin'ny fireneny (Mk 10, 42). Tsy nisalasala i Jesoa niteny mafy teo anatrehan'ny tsy rariny nataon'ny mpitondra. Hita ohatra amin'izany ny fifandraisany tamin'i Heroda "... mandehana lazao amin'izany amboadia izany hoe : indro mandroaka ny demony sy manasitrana marary aho...". Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Ramatoakely Niavo sy Lisy dia mpirahavavy. i Nantenaina mpiara-mianatra tamin'i Lisy. Tia an'i Nantenaina i Lisy, io kosa nefa vao nahita an'i Niavo dia latsa-pitiavana taminy. Nanao vacances tany Toamasina ry zareo indray taona ka nipetraka tao amin'ny hôtely an-dry Max. Tovolahy sady taviny no volony i Max sady zanaky ny mpanana...
♦ Tontosa ny sabotsy 11 nôvambra 2023, ny fanaovam-beloma farany an'i P. Jean Marcellin Ramiandrisoa, pretra Salezianin'i Don Bosco; sy i Sr. Teresa Leonik, Fille de Marie Auxiliatrice, izay samy nodimandry ny 7 nôvambra 2023... ♦ Nanasa ny rehetra hikarakara ny fiainana anaty ny Papa François, nandritra ny vavaka Angélus, ny alahady teo...
Ny fiangonana mampianatra mikasika ny fiaraha-monina sy ny hay fitantanana ary ny fitandroana ny rariny sy ny hitsiny ho an'ny vahoaka. Ny fiangonana dia mampianatra fa ny fahefana rehetra dia avy amin'Andriamanitra, natao hikatsaka ny soa iombonana ary ihany koa tsy manavakavaka ; mifanaja sy mifampitaona ho amin'ny fiombonana sy ny fihavanana.
♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco