Anisan’ny fomba iray manampy amin’ny firindran’ny fiainam-pianakaviana ny fisafidianan’ny mpivady ny isan’ny zaza ateraka sy ny fotoana hananany izany. Ny fandrindram-piterahana ara-boajanahary dia ankatoavin’ny fiangonana katolika ny fanarahana azy. Tsapa araka ny zava-misy sy ny fanehoan-kevitr’ireo olona fa tsy dia mbola ampy ny fampahafantarana io fomba io, na dia ilaina aza. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana vaomieran'ny fahasalamana, eo an'ivon-toerana Arrupe.
Ny teny sy ny famantarana ampiasaina amin'ny litorjia dia efa voafaritra manokana mihitsy. Raha toa ka mampiasa ny tenim-pirenena dia tsy maintsy efa nankatovin'ny Foibe any Vatikana ny dikan-teny. Ny Boky ampiasaina amin'ny litorjia dia na Baiboly na ny Boky fanaovana lamesa, ireo boky momba ny Sakramenta na sakramentaly sy ireny fitsofan-drano manokana ireny dia tsy maintsy efa nankatoavin'ny Eglizy. Katesizy momba ny vavaka ao amin'ny litorjia, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
♦ Notendren'ny Papa François androany ho Evekan'ny Diôsezin'i Farafangana, i Mgr Marcellin Randriamamonjy, Evekan'i Fenoarivo-Atsinanana. Izy no handimby an'i Mgr Gaetano Di Piero... ♦ Miantso fihaonana eo amin'ny mpitondra sy ny mpanohitra, ireo Ray aman-dreny ara-drazana eo anivon'ny ARFM, manoloana ny olana ara-tsôsialy ankehitriny. Nanao fanambarana teny Isoraka izy ireo androany... ♦ Efa tonga eny amin'ny Antenimieram-pirenena ny volavolan-dalana mifehy ny teti-bolam-panjakana 2025. Volavolan-dalana roa hafa no efa lany teny Tsimbazaza, ankoatra izay...
Notendren’ny Papa François ho Evekan’ny Diosezin’i Farafangana, androany 31 oktobra 2024, i Mgr Marcellin Randriamamonjy, Evekan’i Fenoarivo-Atsinanana. Izy izany no handimby an’i Mgr Gaetano Di Piero, izay nitondra ny Diosezin’i Farafangana nanomboka ny 3 marsa 2018 ka hatramin’izao. Teraka ny 12 aprily 1963 tao Sandrandahy, Diosezin’Ambositra, i Mgr Marcellin, ary tao ihany izy no nanomboka ny fanabeazana fototra.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco