♦ Hifantoka bebe kokoa amin'ny fiomanana amin'ny fandraisana ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly, ny fivorian'ny pretra ao amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana mandritra ity herinandro ity... ♦ Manodidina ny 877 ny ankizy sy mpanabe tonga niatrika ny “Journée Diocésaine des Enfants”, notanterahana tao amin'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Ny mikasika ny fiombonam-po sy ny halemem-panahy no niaingan'ny fampianaran'ny Ray masina omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Zava-dehibe ny fifankatiavana sy ny fifampitsinjovana, mitaky fanabeazana anefa izany dia ny fanabeazana ny tsirairay. Adidin'ny tsirairay ny hanabe ny tenany, sy hamolaka ny tenany mba hahay hanaja ny hafa sy ny tontolo iainana. Ny fanajana ny tena dia fialana amin'ny loto isan-karazany : kolikoly sy ny fanararaotana ary ny tsy firaharahiana ny hafa. Adidy ny fiangonana no manentana ny olona handala ny fifankatiavana. Fandaharana "hono hoy aho mopera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Alahady faha-16 mandavantaona - B : Andian'ondry eo an-tanan'Andriamanitra isika ; ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy. Ankehitriny, ao amin’i Kristy Jesoa, ianareo izay lavitra fahiny, dia tongan’ny Ran’i Kristy akaiky. Fa Izy no nahatonga antsika rehetra ho iray. Mazava ny teni'ny Tompo : Hangoniko ny sisa amin’ny ondriko ary hanangana mpiandry hiandry azy Aho. Arak'io voalaza io dia mila loza ny mpiandry manary sy manahaka ny ondry. Adidin'ny Fiangonana no mampanjary ireo voalaza ireo...
21 jolay 2024 — Alahady Tsotra fahenina ambin'ny folo Mandavantaona — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 30-34)
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco