Efa noresahantsika teto avokoa ny paik'ady rehetra entina manorina fahombiazana sy fiadanana, na teo amin'ny lafiny ara-batana, na teo amin'ny lafiny ara-tsaina, na teo amin'ny lafiny ara-po sy fitiavana, na teo amin'ny lafiny ara-panahy.

 Ny lafiny ara-piaraha-monina dia tsy azo atao ambanin-javatra ihany koa, izay tafiditra indrindra amin'ireo toetra mamaritra ny maha olona manontolo. Sakana manakorontana mandrakariva ny fifandraisan'ny olona roa ny fametrahana famaritana ao an-tsaina momba ny olona manoloana azy na avy amin'ny an-daniny izany na avy amin'ny an-kilany. Mila kolokoloina nefa ny fifandraisana amin'ny olona manoloana anao raha tianao ny hahita fahombiazana sy fiadanam-po, eo amin'ny fiainana andavanandro. Mamafy toe-tsaina vaovao ao aminao ianao fa ny olona dia afaka miova foana. Manova fiteny sy fomba fiteny ihany koa. Mihaino bebe kokoa fa miteny vitsivitsy. Ny sofina no natao hiasa bebe kokoa, roa no isany, miohatra amin'ny vava izay tokana monja.

0 : 00

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...