Nifarana androany zoma 28 jolay 2023 ny hetsika fanaovana vaksiny hiadiana amin'ny lefak'ozatra. Ny lefak'ozatra dia aretina azo avy amin'ny tsimok'aretina "poliovirus".  Ny poliovirus dia velona ao anaty tay, na koa ao anatin'ny olombelona. Maro ny olona no tsy manaja ny fahadiovana ka manary tay eny amin'ny lakandrano, bakan-jaoridira, eny an-dalambe. Mifindra haingana ny "poliovirus" raha tsy voatandrina ; efa foana ny tranga ny taona 2018 anefa niverina nirongatra ny 2020 hatramin'izao...

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...