Ny "crampe" dia fivokonan'ny ozatra tampoka na mikainkona, tranga mahakasika ireo mpanao fanatanjahantena matetika. Ny ozatra (muscle) misy karazany : "strié" amin'ny faritry ny ratsam-batana, "lisse" any amin'ny taova. Raha ny any amin'ny lalan-dra no mikainkona dia io ilay ahatao hoe "spasme". Antony : havizanana be loatra, tsy ampy fanafanan-tena mialohan'ny fanaovana fanatanjahantena, tsy fahampiana magnesium... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.