Ny diabeta : tranga ahitana fa ambony ny fatran'ny siramamy amin'ny rà, raha miohatra amin'ny tokony ho izy, vokatry ny faharerahan'ny sarakaty, izay mahatonga ny fihenan'ny famokarana "insuline". Mety hananosarotra ho an'ireo vehivavy diabetika ny hahazo zanaka raha tsy voazaha sy harahi-maso tsara. Ireto fambara : ho an'ny latsaky ny 30 taona dia mipipy matetika, misotro rano lava, mihamahia, reraka be ; ny 40taona no miakatra kosa dia  ny sarakaty no matetika tsy mamokatra insuline tsara intsony. Eran-tany dia misy olona matin'ny diabeta isaky ny 7minitra...

0 : 00

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...