Maneran-tany dia 2.000.000.000 isa ireo olona voakasiky ny tsy fanjariana ara-tsakafo. Ity farany dia fitambaran'ny tsy fahampiana sy ny tsy fahaizana mandanjalanja sakafo, ary ny tsy fahampiana otrikaina. Rehefa tsy mifanaraka amin'ny filan'ny vatana ny fomba fisakafoana dia azo hadika ho tsy fanjariana ara-tsakafo, mety ho tsy ampy fatra na be loatra na ihany koa tsy ahitana ireo singa ilaina. Antony mety mahatonga izany : fahantrana, tsy fahalalana... 

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...