Naseho an'ireo tantsaha tetsy amin'ny lemak'i Laniera ao amin'ny kaominina Sabotsy-Namehana distrika Antananarivo-Avaradrano ny fomba fanetsana amin'ny alalan'ny milina entin-tanana sy ny milina maneha amin'ny angovo. Milina natao hifanaraka amin'ny fomba fambolem-bary voizin'ny tetik'asa PAPRIZ izay eo ambany fiahian'ny MInisteran'ny Fambolena sy ny Fiompiana.

Misy ny tantsoroka ataon'ny PAPRIZ ho fanamorana ny fampiasana ny fitaovam-pamokarana toa itony sy ny hanam-pamokarana mifanaraka amin'ny voly vary nohatsaraina. Fanamby mba hahavita tena ara-tsakafo ny tantsaha, ny firenena ary afaka hanondrana vary amin'ny alalan'ny ambim-bava.

Nambaran'ny sekretera jeneralin'ny MInisteran'ny Fambolena sy ny Fiompiana nandritra ny lanonana nampisehoana ny asan'ireto fitaovana ireto ny talata 21 Desambra 2021 fa mitaky ezaka ny fampitomboana ny vokatra indrindra ny voly vary, ka isan'izany ny fampiasàna fitaovana nohatsaraina toa ny naseho tetsy Laniera sy tany amin'ny Faritra hafa koa...

Misy karazany roa ny milina naseho tetsy Sabotsy-Namehana. Ny iray mandeha amin'ny angovo nofolahan'Andriamatoa Gislain Raharinaivo hifanaraka amin'ny zava-misy ankehitriny, ary ny iray kosa, tsotra entin-tanana, novokarin'ny AFAFI any Fianarantsoa. Na dia mbola nijery fotsiny aza, resy lahatra amin'ny fampiasàna ny milina fanetsana naseho Ramatoa Razaiarimanana Régine, tantsaha mpamboly.

Ho fanamorana ny asan'ny tantsaha sy afahana mahavita asa betsaka ao anatin'ny fotoana fohy no tanjona kendrena amin'ny fampiasàna fitaovana toa izao hoy ny tale jeneralin'ny Fambolena ao amin'ny MInisteran'ny Fambolena sy ny Fiompiana, Fenomanantsoa Andriamanalina ka izay no andresena lahatra ny tantsaha araka ny fanazavany. Fampisehoana no natao tetsy amin'ny lemak'i  Laniera momba ireo milina fanetsana novokarin'ny Malagasy teknisiana fa nomena sehatra afaka nanandrana ny fampiasàna izany koa ny tantsaha.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...