Nanatsara ny famokarana Zezika kankana nofotorany nandritra ny taona maro Andriamatoa Ranaivoarisoa Basile, fantatry ny maro amin'ny solon'anarana Papa Bio... 

Ankoatra ny maha singa mamokatra ny zezika kankana dia nahita hirika i Papa Bio fa mamono bibikely mpanimba voly ity zezika novokariny ity. Mampandositra lalitra ihany koa araka ny andrana nataony. Singa ahafahana manadio tanàna koa ny fampiasàna azy.

Azo ampiasaina amin'ny karazam-boly rehetra ity zezika kankana voka-pikarohan'i Papa Bio ity. Manatsara ny tsiron'ny sakafo izay vokatra bio tsy misy taharo simika ka manatsara ny fahasalamana.

Tantsaha mpikaroka, mpisehatra amin'ny tontolo ambanivohitra tsy nitsaha-nikaroka mba hampalavorary ny fampandrosoana eny ambanivohitra i Papa Bio ka amin'ny alalan'ny famokarana biolojika, miainga avy amin'ny fampiasàna ny zezika kankana no ilofosany.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...