Nahomby amin'ny ankapobeny ny tetik'asa niarahan'ny sampandraharahan'ny firenena mikambana misahana ny sakafo sy ny fambolena na ny FAO sy ny governemanta malagasy notanterahana tany amin'ny Faritra Sava. Tetik'asa nampihena ny fifindra-monin'ny mponina mankany ivelany indrindra fa ny vehivavy.

Ny 90%-ny vehivavy niasa tany amin'ny tany arabo mantsy dia avy ao amin'ny Faritra Sava avokoa, ka antony nanaovana ny tetik'asa, nifototra tamin'ny fampiroboroboana rohim-pihariana famokarana hanatsaràna ny velon-tena ara-toekarena sy ny ara-tsosialy ho an'ny vehivavy. Roa taona ny faharetany ary nifarana ny 15 Marsa 2022.

Tamin'ny alalan'ny fananganana ny Club DIMITRA, vondron'olona mpanentana no nandresena lahatra ny fokonolona hirotsaka an-tsehatra amin'ny fampivoarana. Nahitam-bokany izany hoy Andriamatoa Randriamaho Valerien, monina ao amin'ny Fokontany Antohobalo, Distrika Andampa noho ireo asa maro notanterahana.

Isan'ny nanao tantsoroka ny tetik'asa tao amin'ny Faritra Sava ny teo anivon'ny ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana, izay niabo ny vokatra azo hoy ny sekretera jeneraly, Fanja Raharinomena.

Vehivavy 600 isa, tany amin'iny Faritra iny no nandray anjara. Tafita ny paik'ady napetraka nandresena lahatra ny vehivavy ijanona eo amin'ny Faritra misy azy, fa tsy hikaroka asa any amin'ny toerana hafa. Ny fiovan'ny toe-tsain'ny olona tsirairay no isan'ny tombotsoa goavana tamin'ny asan'ny Club DIMITRA hoy ny mpandrindra tao amin'ny Fokontany Antanambe, Kaominina Ambodiangezoka, Distrika Andapa, Razanavolamanana Olga. Resy lahatra ireo mpikambana fa hotohizana ny fomba fiasa na dia nifarana aza ny tetik'asa.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...