Tanora 400.000 (efatra hetsy) isan-taona no tonga eo amin’ny tsenan’ny asa eto Madagasikara araka ny tarehimarika ofisialy. Tsy an’asa avokoa ny atsasak’ireo. Ny 8 alina ihany no afaka mamelo-maso ny fihariana eny ambanivohitra noho ny fandovana tany avy amin’ny ray aman-dreny. Mitaky fifehezana ny famokarana sy ny lalam-barotra handefasana ny vokatra anefa ny fahombiazana. Manana andraikitra amin’ny famolavolana ireo tanora ireo hahafolaka ny famokarana ny vovonam-pikambanana.

Nitondra anjara biriky lehibe amin’ny tohana atao amin’ny tanora ny vovonana CEDAM (Cercle Departemental des Agriculteurs Manjakandriana) sy ny FISOI na ny “Filamatra Soa Iombonana” ao amin’ny kaominina Mahitsy distrikan’Ambohidratrimo. Mamolavola ny tanora hisehatra amin’ny asa famokarana eny ambanivohitra ireo fikambanana roa eto Analamanga ireo. Miara-miasa amin’ny vovonam-pikambanana, Tambazotran’ny sendikan’ny Orina ambanivohitra na ny tambazotra SOA (Syndicat des Organisations Agricoles ) izy ireo amin’ny fanohanana ireo tanora ireo.

Tanora folo mianadahy nanangana ny tetik’asany ao amin’ny CEDAM no notohanana ara-pitaovana tamin’ity taona ity. Lalam-pihariana natao laharam-pamehana ny fiompiana kisoa sy bitro. Tsy natao ambanin-javatra ny fiompiana tantely, ny fiompiana akoho ary ny fiompiana trondro. Tsy ambakan’izany koa ny ao amin’ny FISOI. Folo mianadahy ihany koa izy ireo no nahazo fampitaovana avy amin’ny tabazotra SOA sy ny mpiara-miombon’antoka aminy ahafahana miainga sy manitatra ny fihariana. Lalam-pihariana dimy no tohanana, dia ny fiompiana ombivavy be ronono, ny fampiterahana kisoa, ny famokarana ganakely, ny famokarana akoho fakàna nofo ary ny famokarana masomboly haricot vert. Lalam-pihariana tombanana hahazoana vokatra ao anatin’ny enim-bolana avokoa afa-tsy ny fiompiana ombivavy be ronono.

Resy lahara ireo tanora nahazo tohana ireo fa hahavelona azy ny tetik’asa nosafidiany ary afaka hanitatra ihany koa izy ireo any aoriana any. Iankinan’ny fahombiazana nefa ny fahazoana fitaovana entina iangana amin’ny fihariana. Nanambara ankohatra izay ireo tompon’andraikitra eny ifotony fa azo ivelomana tsara ny eny ambanivohitra ary miantoka asa maro ho an’ny tanora. Ilaina anefa ny fanohanana azy ireo na ara-teknika na ara-bola ary ara-tany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...