Ketsa saraka, nahatratra 15 taonina mahery ny vokabarin'i Jeneraly Rabemanantsoa Robert tamin'ny fampiasàna azy. Manamboninahitra ambony misotro ronono nanana andraikitra ambony tao amin'ny tafika malagasy tamin'ny fotoan'andro. Liana amin'ny voly vary.

Honahona tany am-piandohana no nofolahany ho lasa tanimbary ka nampiaiky ireo izay nahita azy ny voka-bariny eny amin'iny distrikan'Antananarivo-atsimondrano iny. Vao mainka valalanina ihany koa ny tantsaha manodidina raha nahita ny voka-bariny tamin'ity taona ity na teo aza ny olana ara-drano nahazo an'Antananarivo-atsimondrano ; distrika tena nitondra faisana tamin'ny tsy fisian'ny rano nentiny nanondrahana ny tanimbary noho ny fahataran'ny rotsak'orana teto Analamanga.

Noporofoin'i Jeneraly Rabemanantsoa Robert fa tsy ny fiovan'ny toetr'andro akory no ho sakana sy olana tsy hamokarana, fa ilaina dia ilaina ny saina tia karokaroka hamolahana ny haitaom-pamokarana mba afahana mahazo vokatra tsara. Nampihariny ny fikarohana noketrehany dia ny ketsa saraka. Teknika azony an-tsaina noho ny fiaraha-miasa sy ny fifampiresahana tamin'i Mompera Henri de Laulanier, saingy nohatsaraina taty aoriana, ary nampihariny tamin'ity taom-pambolena teo.

15 taonina isaky ny hektara ny voka-barin'i Jeneraly Rabemanantsoa Robert tamin'ity taona ity. Ny volana novambra no nanetsa izy ka ny ketsa saraka no nampiasainy. Notondrahana ny vary voaketsa mandra-pirotsaky ny orana, ka nahakely finoana ireo mpitazana ny mety ho fahombiazan'izany. Tsy izay anefa no zava-nitranga fa nahavokatra ny ketsa saraka nampihariny. Mifanindran-dalana amin'ny fahalalana momba ny fiainan'ny vary ity ketsa saraka ity hoy Papa Bio na Ranaivoarisoa Basile. Mila mahafantatra izay fiainan'ny vary izay ny tantsaha raha te hampitombo ny voka-bary. Olana mbola mila vahana eto amintsika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 aprily 2024

♦ Nangatahana omaly araka ny fomban'ny Fiangonana, tao amin'ny Diôsezin'i Toliara, i Mgr Razafinirina Jean Désiré, Eveka vaovao ho an'ny Diôsezin'i Morombe... ♦ Tanterahana ao anatin'ny iray volana ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ny “Chapitre Général” ho an'ny Fikambanana Missionnaires de Notre-Dame de La Salette... ♦ Nifarana omaly alahady ny Filankevitra Diôsezanina 2024 an'ny Vaomiera FIFAKRI, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...