Manana drafitra paik'ady enti-miasa mandritra ny dimy taona ny tambazotran'ireo mpampiofana amin'ny seha-pamokarana ara-pambolena sy ny eny ambanivohitra eto Madagasikara na ny Réseau FARMADA. Naseho ampahibemaso ary natolotra an'ireo mpiara-miombon'antoka samy hafa ity drafitra taona 2022-2026 ity ny faha-29 jolay 2022...

Niombon-kevitra ireo nanatrika ny fotoana fa ifandrombonana ny fiofanana mba hitondra fiovàna amin'ny tontolo ambanivohitra ny asa atao. Mifameno amin'ny dingan'asa efa natao nandritra ny valo volana nakàna ny hevitry ny mpisehatra, dia ny mpikambana ao amin'ny FARMADA, ny mpiara-miombon'antoka, ny mpisehatra mivantana ary ny mpanohana ny tontolon'ny fanofanana eto Madagasikara ny drafitra. Mizara telo lehibe ny votoatin'ity drafitra paik'ady ho an'ny Réseau FARMADA ity hoy ny filohany Serge Merison.

Mandray anjara mavitrika amin'ny fanavaozana ny paik'adim-pirenena momba ny fanofanana ara-pambolena sy ny eny ambanivohitra na ny SNFAR ny réseau FARMADA. Ity paik'adim-pirenena ity mantsy hoy ny filohany Serge Merison no lasitra mifehy sy mandrindra ny fanofanana eto Madagasikara... Lafin-javatra efatra lehibe no arovan'ny FARMADA amin'izao fanavaozana izao hoy Andriamatoa Serge Merison satria vokatra efa azo tamin'ny SNFAR teo aloha ihany izy ireo.

12 taona nandray anjara tamin'ny fampandrosoana ny sehatry ny fanofanana ara-pambolena teto Madagasikara ny réseau FARMADA. Tsy mitsaha-mitombo ireo mpampiofana sy ivon-toeram-panofanana mivondrona ao aminy. Raha 10 ny rafitra nanangana azy tany am-piandohana, maherin'ny 190 isa ankehitriny ireo mpampiofana, ivon-toeram-panofanana ara-pambolena sy ny eny ambanivohitra mpikambana, mitsinjara amin'ny Faritra 13 isa, manerana ny nosy.

 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...