Mandrava ny voly seha-piveloman'ny tantsaha ny bibikely mpanimba voly tato ho ato. Velon-taraina ny mpamboly any ambanivohitra manoloana izany. Hirika iray ahafahana miady amin'izany no hoentin'i Pap Bio na Ranaivoarison Basile...

Isan'ny tantsaha niaina ny fahavoazana nateraky ny bibikely mpanimba voly i Papa Bio. Nisy lolo fotsy mpanimba voly mantsy ny voankazo nambolen'i Papa Bio teo amin'ny sahany. Natao ny fomba samihafa namonoana azy ireny fa ezaka very maina ny azy hoy Papa Bio.

Nikaroka hevitra hafa àry Papa Bio, ka tamin'ny alalan'ny fikarohana no nahitany fa misy taharo, poizina mamono bibikely mpanimba voly ao anatin'ny mangahazo. Mandalo dingana maro anefa ny fikarakarana vao azo izany singa izany ary izay no ankora hamonoana ieo bibikely mpanimba voly samihafa ireo hoy Papa Bio.

Mahomby ny singa azo avy amin'ny mangahazo hamonoana ny bibikely mpanimba voly saingy manampy izany koa ny fampiarahana azy amin'ny fampiasana zezika kankana. Hirika azon'ny tantsaha atao tsara ny mamokatra azy.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...