Zanaka tantsaha, nilofo tamin’ny fambolena sy fiompiana, naneho safidy matotra ka mifototra amin’ny lalam-pihariana ronono ho foto-pivelomana Andriamatoa Razafindrainibe Mbolatiana Lucien. Tanora mpandraharaha mamokatra ronono amin’ny alalan’ireo omby vavy be ronono ao amin’ny toeram-piompiana ao kaominin’i Soavina distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

0 : 00

Tanora nianatra momba ny électromécanique, saingy nanapa-kevitra fa hiveloma amin’ny fiompiana amin’ny alalan’ny famokarana ronono. Taranak’omby be ronono iray no niaingany 12 taona lasa izay, mananika ny 20 ny omby vavy ao amin’ny toeram-piompiany ankehitriny, ka ny 7 amin’ireo no manome ronono, tsy latsaky ny 140 litatra isan’andro. Tsy miova io fatran-dronono isan’andro io mandritra ny taona noho ny lamina apetrany amin’ny fampanarahana ireo omby vavy ao aminy.

Manangona ronono avy amin’ireo tantsaha manodidina ary mivarotra izany amin’ny toeram-pivarotana maro ity mpandrahara amin’ny seha-piompiana ity, isan’izany ny ao an-drenivohitra.

Miezaka manome ronono azo antoka, ara-pahasalamana, vita fitiliana Andriamatoa Razafindrainibe Mbola. Fitiliana miisa dimy farafahakeliny no hatao amin’ny ronono tonga ao amin’ny toeram-pivarotana eny Anosizato Andrefana.

Izy no Razafindraibe Mbolatiana Lucien. Azo antoka ny ronono vokariny satria mandalo fitiliana in-dimy raha kely indrindra.

Mamokatra vilona omena ireo ombiny izy ka iray hektara no hamokarana izany. Tsy ampy nefa ireo ka voatery manome provandy ihany koa, ka izy sy ny fianakaviany sy ireo mpanampy azy no manamboatra ny provandy hohanin’ny ombiny. Manampy azy amin’ny fanaraha-maso ny fahasalaman’ny omby ankohatra ny dokotera mpitsabo biby ny zokiolona iray teknisiana momba ny fiompiana.

Nisafidy ny fampanarahana hampitondrana vohoka ny ombiny ity tanora mpandraharaha ity hiantohana izay fahasalaman’ny omby izay. Tsy azo antoka mantsy fahasalaman’ny ombilahy fakana taranaka amin’ny fahamaroan’ny omby vavy narahany ka mety hamindra aretiny ao aminy ombiny. Atao fitiliana ao amin’ny laboratoara ao Anosizato andrefana ny ronono mivoaka ao amin’ny toeram-piompian’Andriamatoa Razafindrainibe Mbola izay vao akoriana eo amin’ny tsena.

Ankohatra ny ronono vokarin’ny toeram-piompiana, manangona ronono amin’ireo tantsaha manodidina koa ity mpandraharaha tanora ity hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa sy ny mpanodina amin’ny tolotra ronono. 800 litatra isan’andro ny ronono vita fitiliana akoriana eo amin’ny tsena isan’andro amin’ny alalan’ireo toeram-pivarotana ao Anosizato Andrefana sy ao Analakely Antananarivo Renivohitra. Ronono natao fitaliana avokoa noho ny laboratoara azony tamin’ny alalan’ny Vondrona Eoraopeana noho ny tetik’asa vatsian’izy ireo vola izay tantanan’ny Malagasy Dairy Board na ny MDB.

Fanirian’Andriamatoa Razafindrainibe Mbola amin’ity taona 2020 ity ny hanitatra ny toeram-piompiana mba hamaliana ny tinady eo amin’ny tsena ho an’ny ronono tsara kalitao. Ny tsenan’ny ronono izay mbola malalaka ary mahavelona tsara hoy ity tanora mpandraharaha ity.

Ny Malagasy dia manjifa ny vokatra avy amin’ny ronono 5 hatramin’ny 7 kilao isan’olona isan-taona, kanefa ny an’ny afrikana efa mahatratra 25 kg isan’olona isan-taona. Ny an’ny Frantsay aza efa 250 kg isan’olona isan-taona ny fanjifana vokatra avy amin’ny ronono.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...