Hanohana ny FAFIALA amin'ny fampiroboroboana ny sehatr'asa ataony indrindra fa ho an'ny lalam-pihariana landy ny Ministeran'ny Asa Tanana sy ny Hai-tao sy ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana. Nivoitra izany nandritra ny lanonana nankalazana ny ivon'ny faha-30 taona nijoroan'ity foibe ity ny sabotsy 08 ôktôbra lasa teo teny amin'ny foiben-toerany teny Ambohimangakely, Distrika Antananarivo-Avaradrano.

 Nisy ary misy ary mbola hisy ny FAFIALA hoy ny tale mpanatanteraka Raveloarijaona Nonat. Maro ny sehatr'asa nataon'ny Foibe nandritra izay fotoana niasany teto Madagasikara izay na tamin'ny fambolena, na fiompiana ary indrindra ny fiarovana ny tontolo iainana.

Notohanan'ny mpiray ombon'antoka teto an-toerana, sy ny avy any ivelany ; nametraka fitokisana ary nanolotra tetik'asa eran'ny nosy notantanin'ny FAFIALA araka izay fahaiza-manaony teo amin'ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra... Tsangambaton'ny faha-30 taona ny tranon-dandy. Fanazavan'ny tale mpanatanteraka Raveloarijaona Nonat.

Nitarika ny lanonana faha-30 taonan'ny FAFIALA ary nitokana sy nanokatra tamin'ny fomba ôfisialy ny tranon-dady, tsangambato faha-30 taona ny Ministry ny Asa Tanana sy ny Hai-tao Ratsiraka Sophie, sy ireo tompon'andraikitra samihafa nanotrona azy. Nidera ny ezaka vitan'ny Foibe ny Ministra... Ny Ministera izay vonona hanohana sy hampiroborobo ny lalam-pihariana landy amin'ny maha harem-bakoka mirakitra ny tantaran'i Madagasikara azy hoy Ramatoa Ministra Sophie Ratsiraka.

Ankohatra ny ao Ambohimangakely, mbola miodina ihany koa ny foibe FAFIALA any Antsirabe izay mbola misehatra amin'ny fiompiana Landy ihany koa hoy Andriamatoa Raveloarijaona Nonat, tale mpanatanteraka.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...