Nitondra fampivoarana amin'ny seha-pamokarana eny ambanivohitra ny nananganana ireo ivon-toeram-piofanana mivondrona ao amin'ny FECAMA (Fédération des Collèges Agricoles de Madagascar). Miisa dimy ireo kolejy mivondrona ao aminy, miparitaka any amin'ny faritra dimy ary samy eo ambany fiahian'ny vovonam-pikambanana FIFATA avokoa.

Mampiofana ireo tanora sy tanoran'ny tantsaha misehatra amin'ny famokarana tantanam-pianakaviana matianina. Arivo mahery ireo tanora efa voaofana ka ny 70%-n'ireo no efa voapetraka hisehatra amin'ny famokarana eny ambanivohitra avokoa. Ny taona 2003 no nijoro voalohany ny kolejy ho an'ny eny ambanivohitra, mivondrona ao amin'ny FECAMA. Ho feno 20 taona amin'ny taona ho avy, noho izany, ny nananganana ny Collège Agricole voalohany ao aminy, niorina tany Befandriana Avaratra any amin'ny Faritra Sofia sy tao Bezezika, Faritra Menabe ; nitohy tany Ambondromisotra any amin'ny Faritra Amoron'i Mania, ny ao Ambalavao Matsiatra Ambony ary ny ao Manganoro Ambatondrazaka, Faritra Alaotra.

Hanamarika izay faha-20 taona nijoroan'ny kolejy voalohany ao aminy izany ny FECAMA amin'ny taona ho avy, ary homarihana koa ny fahatratrana ny tanora arivo voaofana, hoy Andriamatoa Ando Razafindratsima, Talen'ny FECAMA. Maro amin'ireo tanora niofana tao amin'ny kolejy no raisin'ny olona any amin'ny tanana misy azy, ho toa ny mpanampy azy, mahafehy ny fambolena sy ny fiompiana, ka miantso azy ireo rehefa misy ny olana momba izany, toa ny aretim-biby, ny manindrona akoho sy ny sisa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...