Mpamokatra ara-pamokarana isam-pianakaviana miisa 320.000 amin'ireo faritra valo any amin'ny tapany atsimon'ny Nosy no hisitraka ny tombontsoa amin'ny fandaharan'asa ho fampandrosoana ny lalam-pihariana ara-pambolena sy fiompiana tsy misy hanavahana na ny DEFIS... Fandaharan'asan'ny Governemanta Malagasy eo ambany fiahian'ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono, natomboka ny 04 desambra 2019

0 : 00

Tanjon'ny fandaharan'asa DEFIS ny hanatsarana ny fidiram-bola sy ny fiantohana ara-tsakafo ho an'ireo tantsaha marefo any amin'ny faritra iasan'ny fandaharan'asa... Fandaharan'asa mandritra ny 10 taona. Mpamatsy vola be indrindra ny Tahiry iraisam-pirenena momba ny fampandrosoana ny Fambolena na ny FIDA. Mamatsy vola ihany koa ny OFID, ny Banky Afrikana ho an'ny Fampandrosoana, sy ny Governemanta Malagasy ary ny mapahazo tombontsoa.

Sehatr'asa telo lehibe no hotanterahana ao amin'ity fandaharan'asa DEFIS ity. Voalohany ny fanatsarana ny famokarana sy ny fahafahan'ny rafi-pamokarana misedra ireo tsindry samihafa mety hihatra aminy. Faharoa ny fampiroboroboana ny lalam-pihariana tsy misy hanavahana ary ny fahatelo farany ny fanohanana ny rafitra ara-pamokarana misy sy ny fandrindran'asa ataon'ny fandaharan'asa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...