Efa mahazo laka ary mampidi-bola ny tantsaha eto Madagasikara ny fizahan-tany eny ambanivohitra. Mampidi-bola ho an'ny tantsaha ny fizahan-tany ambanivohitra raha haintsika ny mitrandraka izany. Mampiditra 50 Dôlara hatramin'ny 200 Dôlara ho an'ny fianakaviana tantsaha iray iantranoany ny mpizahan-tany iray. 20 taona niantsehatra amin'izay fizahan-tany ambanivohitra izay ny Fivondronamben'ny Tantsaha Malagasy na ny FEKRITAMA...

Faritra maro eto Madagasikara no anaovan'ny FEKRITAMA ny asa fizahan-tany ambanivohitra. Ny any amin'ny faritra avaratry ny nosy no tena miroborobo izay fizahan-tany ambanivohitra ataon'ny Fivondronamben'ny Tantsaha Malagasy hoy Andriamanatoa Mahefa Heriantenaina, filoha nasiônaly.

35 taona nijoroana ity vovonam-pikambanana ity ankehitriny. 65.000 isa ny fianakaviana tantsaha mpikambana. Fivondronanana Fikambanana tantsaha no miditra ho mpikambana ao aminy. Ahitana azy avokoa ny Faritra 23 eto Madagasikara. Anatin'ny Sendika Kristiana Malagasy na ny SEKRIMA koa ny FEKRITAMA. Miaro ny zon'ny tantsaha, misolo tena ny tantsaha amin'ny sehatra isan-karazany na ara-panjakàna na amin'ny sehatra tsy miankina, na any ivelany koa aza. Mpikambana ao amin'ny vondrona tantsaha ao amin'ny Faritra Afrika atsimo atsinanana ny FEKRITAMA. Misy sampana maro ao aminy, isan'izany ny vehivavy, ny tanora, ny kaoperativa ary ny fizahan-tany eny ambanivohitra.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...