Resy lahatra amin'ny maha zava-hehibe ny famokarana ara-biôlôjia, ireo tantsaha miara-miasa amin'ny fikambanana Tsiky Tsika, ato amin'ny Faritra Analamanga. Isan'izany Rabadaoro Tsimatahomanana, monina ao amin'ny Fokontany Soanavela, Kaominina Fihaonana, Disitrikan'Ankazobe.

Nahasarika ity tantsaha ity amin'ny fanentanana ny tantsaha ao amin'ny tanàna misy azy ny fandraisana anjara amin'ny fampandrosoana amin'ny alalan'ny fanovana ny fomba nahazatra hatramin'izay, amin'ny famokarana atao. Izany dia mba hananana fomba fijery vaovao miompana amin'ny fampandrosoana ny fiaraha-monina sy ny fikolokoloana ny tontolo iainana. Fomba vaovao ahafahana miatrika ny fiovaovan'ny toetr'andro misy ankehitriny.

Tsy mora anefa ny miova amin'ny mahazatra, hoy ity tantsaha fitaratra, ao amin'ny Kaominina Fihaonana ity, saingy rehefa ilofosana dia ahitam-pahombiazana. Maro ny tombon-tsoa azo amin'izany. Ankoatra ny fihatsaran'ny fidiram-bola, ny ara-pahasalamana no isan'ny fiovana lehibe amin'ny famokarana ara-biôlôjia, hoy i Rabadaoro Tsimatahomanana. Toa izany koa ny tombon-tsoa hafa toa ny fitsitsina ny rano sy ny angovo ampiasaina.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...