Misehatra amin'ny famokarana vary manitra ireo tantsaha kaoperativa Vary Manitra Diégo II na ny KOVAMADI-II, ao Anivorano Avaratra Antsiranana-II. Miroborobo ny famokarana noho ny fampiofanana nokarakarain'ny Réseau SOA ho azy ireo. Afaka mamokatra vary manitra hatrany amin'ny 200 taonina ny kaoperativa KOVAMADI-II amin'ity taom-pamokarana ity hoy ny filohany Andriamatoa Tombozara Patrice.

Miisa 300 ny isan'ny mpikambana ankehitriny ka fanambin'izy ireo ny hamokatra 400 taonina amin'ny taom-pamokarana manaraka.

Mbola ambany aloha ny tahan'ny vokatra miakatra. Manodidina ny 3 taonina isaky ny hektara izany saingy azo hatsaraina hatrany amin'ny 4 na 5 taonina isaky ny hektara izany hoy Andriamatoa Tombozara Patrice. Tian'ny olona ny vary manitra saingy mikaroka lalam-borotra hafa hatrany izy ireo handefasana ny vokatra eo am-pelan-tanan'izy ireo.

[Miara-dàlana] Zoma 25 ôktôbra 2024

♦ Nitsodrano manokana ny vahoaka Malagasy ny Papa François, nandritra ny fanatanterahana ny dingana faharoa amin'ny Sinaodin'ny Eveka, tanterahana any Roma nanomboka ny 30 septambra ary hifarana ny 27 ôktôbra 2024... ♦ Miatrika fivoriambe fanao isan-taona eny amin'ny Masera Filles de la Sagesse Benasandratra, ny lehiben'ny fikambanan-drelijiozy lehilahy, eto Madagasikara... ♦ Lalivain'ny hafaliana sy ny fitiavan'ny mpivady, ny Fanahy Masina, hoy ny fampianaran'ny Papa François tamin'ny Audience générale, ny alarobia 23 ôktôbra 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...