Mikaroka, mamokatra ary manofana ny tantsaha amin'ny famokarana zezika kankana i Ranaivoarison Basile na i Papa Bio. Zezika biôlôjika iareharehany tokoa ny voka-tsoa azo avy aminy. Miavaka amin'ny famokarana zezika ataon'ny mpamokatra hafa ny teknika ampiasainy...

Foto-tsakafon'ny kankana ompian'i Papa Bio amokarana izay zezika kankana izay ny tanamasoandro dia, ny mololo ary ny tain'omby. Nahagaga ny vahiny mpikaroka iray, tonga nitsidika ny famokarana tao aminy, ny ampiasany an'ireo sakafo ireo saingy rehefa natao ny fifanakalozana dia tena ahafahana mahazo taharon-jezika tsara sy mahomby izy ireo. Zezika NPK voajanahary no azo avy amin'ireo ary ambony ny tahan'ny taharo ao aminy hoy Papa Bio.

Nohamafisin'i Papa Bio fa sakafo ara-pahasalamana no azo avy amin'ny fampiasana ny zezika kankana vokariny sy ampianariny an'ireo tantsaha tonga miofana ao aminy. Miavaka ny tsiron'ny sakafo ankoatr'izany satria ara-boajanahary tanteraka ny namokarana azy.

Mamono bibiy kely mpanimba voly ihany koa ny zezika kankana na ny ranon-jezika kankana azo avy amin'ny kankana mihinana ireo karazan-tsakafo nambara tetsy aloha, indrindra fa ilay tanamasoandro dia. Nahomby ny andrana natao, na ny lolon-kely mpanimba ny voly katsaka aza tsy hita eo amin'ny tanimboly intsony rehefa ampiasaina izy io.

Nanatsara ny velon-tenan'ireo tantsaha niofana tao aminy ny zezika kankana nampiasain'izy ireo tamin'ny fambolena. Be mpitady mantsy ny vokatra amin'ny maha biôlôjika azy. Nihatsara koa ny fari-piainan'ireo mamokatra ny zezika kankana. Misy ary maro ny lalam-barotra. Efa mirona amin'izany ny ankamaroan'ireo mpamokatra biôlôjika ankehitriny.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...