Nitondra fampivoarana teny amin'ny tontolo ambanivohitra tamin 'ny alalan'ny fampitana ny teknikam-pamokarana samihafa ny fikambanana Fambolena sy Teknolojia any Ambanivohitra na ny FTA. Nampivoatra sy nampiova ny fomba fijeren'ny tantsaha momba ny famokarana ny haitao naparitak'izy ireo...

Mivoatra manaraka ny fandrosoana misy ny haitao ampitàna fahalalana ny tantsaha. Mila mivoatra manaraka ny fandrosoana mantsy ny fampitana ny teknikam-pamokarana ho an'ny mpamokatra. Manamora ny fampitàna hevitra sy teknika vaovao momba ny famokarana eny ambanivohitra ny fampiasana ny teknolojian'ny fifandraisana sy ny fampitam-baovao. lsan'ny mampiasa izany ny Fikambanana Fambolena sy Teknolojia any Ambanivohitra na ny FTA.

Amin'ny alalan'ny fiarabe « Agri bus » no anatanterahana izany. Tsy mametraka olana ny fitaovana ampiasaina, ny toerana anaovana fampiofanana ary ny herinaratra ampiasaina. Maro no tombotsoa azo hoy Andriamatoa RATSIMANDRESY Fidèle, teknisiana.

Mitantana tetik'asa antsoina hoe : FM3A na ny Fiarahamonina Maintso Manana ny Amby Ampy sy Afaka manampy ny tantsaha amin'ny Fambolena sy ny Fiompiana ny FTA vatsianny mpamatsy vola avy any Suisse. Mampiavaka ny tetik'asa ny famokarana mikajy ny tontolo ianana mamokatra amin'ny alalan'ny tsy fampiasana taharo simika na amin'ny fambolena na amin'ny fiompiana, Miasa amin'ny faritra enina dia Alaotra Mangoro, Analamanga, Vakinakaratra, Itasy, Amoron'i Mania ary Matsiatra ambony. Mampita ny haitao teknika amin'ny alalan'ny fampiofanana hoan'ny tantsaha mpikambana ny FM3A.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...