Hapetraka ho faritra arovana ny ala tapia ao amin’ny kaominina Arivonimamo faharoa sy Miarinarivo faharoa ao amin’ny faritr’i Itasy. Misedra fahasahiranana amin’ny fiarovana ny ala mantsy ny vondron’olona ifotony mitantana ny ala manoloana ny fandripahana amin’ny endriny samihafa...

Isan’ny mampiavaka an’i Madagasikara amin’ny firenena hafa eran-tany ny fananany ala tapia midadasika ao amin’ny faritr’i Itasy. Maro ny karazam-biby mivelona ao. Nanana ny anjara toerany teo amin’ny kolontsaina maha malagasy koa ny landibe. Mampidi-bola ny mponina manodidina ny holatra ao an’ala amin’ny fotoana fahavokarany mandritra ny filatsahan’ny orana. Toa izany koa ny voatapia. Manana anjara toerany amin’ny fahasalaman’ny mponina ankohatr’izay ny zava-maniry fanaoraokandro ao amin’izany ala tapia.


Mihamihena nefa ny velaran’ny aty ala tapia nanomboka tamin’ny taona 1970 ka hatramin’izao noho ny filàna maro vokatry ny fitomboan’isan’ny mponina, ny fahasarotan’ny fiainana sy ny fivoarana ara-toekarena. Efamihatery ankohatr’izay ny tany amokarana. Manampy trotraka ny tsy fahampiana ara-teknika, ny tsy fahampian’ny rano enti-mamokatra. Antony nahatonga Planète Urgence mandray andraikitra hiarovana ny ala tapia ao Itasy. Ala maherin’ny enina arivo sy iray alina hektara ny fitambarany.

Rehefa lasa faritra arovana ny ala tapia dia azo atso tsara ny manenjika sy manasazy ireo izay manimba sy mitrandraka ny ala amin’ny alalan’ny lalàna manan-kery araka ny fanazavan’Andriamatoa ANDRIANALISON Herilaza Thierry, lehiben’ny tetik’asa Tapia ao amin’ny Planète Urgence.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...