Nisitraka fiofanana momba ny fitantanana ny rano ireo tanora anatin'ny fikambanana FISOI sy SOAMITSINJO mivondrona ao amin'ny Réseau SOA. Fiaraha-miasa eo amin'ny tambazotra iraisam-pirenena misehatra amin'ny fampiofanana amin'ny famokarana sy ny tontolo ambanivohitra na ny RI-FAR no ahafahana mamolavola ireto tanora ireto...

Manohana ny fikambanan'ny tantsaha eto Madagasikara anatevina ny sehatr'asany amin'ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra ny tambazotra iraisam-pirenena misehatra amin'ny fampiofanana amin'ny famokarana sy ny tontolo ambanivohitra na ny RI-FAR.

Voafidy anatanteraka ny tetik'asa RI-FAR eto Madagasikara ny tambazotra Sendikan'ny Orina Ambanivohitra na ny Réseau SOA. Ny fampiofanana tanora mpamokatra handray andraikitra sy anamafy ny fahaiza-manao na eo amin'ny lafiny fisoloan-tena na eo amin'ny lafiny fanatanterahana ny fambolena mikajy ny tontolo iainana na ny agroécologie na ny famokarana manaja ny tsingerim-piainan'ny tontolo iainana no loha-hevitra nosafidiana amin'izao tetik'asa izao...

Fiofanana narahan'ny tanora ao amin'ny Réseau SOA noho izany ny momba ny fitantanana ny rano. Afa-po tamin'ny fiofanana narahana Ramatoa Natolotra avy ao amin'ny Fikambanana fototra Tsinjolavitra ao Ambohiboahangy ao Antanetibe-Mahazaza ao amin'ny fikambanana SOA MITSINJO. 

Tombontsoa maro no azo tamin'izao fiofanana momba ny fitantanana ny rano izao hoy kosa Andriamatoa Rakotoniaina Constant Fabrice, avy ao amin'ny Fikambanana Avotra ao amin'ny kaominina Antamboho, Distrika Arivonimamo indray no misy azy. Toa izany koa ho an-dRamatoa Lantonirina Françine monina ao Antandrokomby avy amin'ny fikambanana FISOI.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...