Nilofo fatratra tamin'ny fiompiana kankana hamokarana zezika kankana ny fikambanana Lanja Miakatra nandritra ny 2 taona. Tsy mamihana samy irery ny voka-pikarohana ka nahitan'izy ireo tombotsoa ny mpitarika Ranaivoarison Basile na i Papa Bio. Maro ny voka-tsoa azon'ireo mpikambana amin'ny fampiasana ny zezika kankana...

Mirehareha amin'ny tombotsoa azo amin'ny fampiasana ny zezika kankana nohatsaraina tamin'ny alalan'ny fikarohana nataony ingahy Papa Bio sy ireo tantsaha miara-dia aminy. Ny zezika kankana hoy izy dia zezika mandonaka tany ao anatin'ny fotoana fohy. Mitana ny rano ao amin'ny nofon-tany. Manampy ny zava-maniry ahatohitra ny hatsiaka be ateraky ny fanala. Fanafody mahomby amonoana ny bibikely mpanimba voly ihany koa.

Amin'ny fambolem-bary, nahafahana nanavao ny fotoana hanetsana ho roa andro ny fampiasana ny ranona zezika kankana. Ny fandomana ny akotry amin'ny ranon'ny zezika kankana no manafaingana ny fitsirian'ny voambary. Mitombo haingana koa ny zanabary ka tsy maintsy aketsa amin'izay roa andro izay. Afaka mamoka-bary in'efatra isan-taona ny tantsaha iray ao amin'ny faritr'i Menabe amin'ny fampiasana izay teknika izay.

Amin'ny famokarana voatabia, miova ny fomba fambolena amin'ny fampiasana ny zezika kankana. Ny mpikambana ao amin'ny Lanja Miakatra mantsy indray mandeha ihany no mamafy voatabia fa avy eo ny solofom-boatabia no ampiasaina amin'ny famokarana manaraka. Mamokatra ao anatin'ny fotoana fohy koa ny fampiasana ny zezika kankana amin'ny fambolena io solofom-boatabia io. Tsy mampiasa ranom-panafody amonoana ny bibikely mpanimba voly ihany ko any tantsaha. Miantso ny mpisehatra rehetra amin'ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra i Papa Bio hanely ny fampiasana ny zezika kankana eny amin'ny tontolo ambanivohitra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...