Miroborobo etsy sy eroa ankehitriny ilay karazana fampiofanana atrehan'ny olona maro na ny " formation de masse". Tsy voafaritra mazava anefa ny fepetra maha fampiofanana azy,indrindra fa ny lasi-panofanana.

Nikarakara atrik'asa ho fanatsaràna ny tolotra amin'ny fanofanana andraisan'ny olona maro anjara na ny "formation de masse" eto Madagasikara ny Tambazotra FARMADA ho fanatsarana ny tolo-panofanana ara-pamokarana sy ny eny ambanivohitra eto amintsika. Atrik'asa natao teto Antananarivo ny faran'ny volana jolay teo.

Tsapa hoy ny filohan'ny FARMADA, Randrianarijao Hobiarisoa fa samy manao ity tolotra fanofanana ity ny mpisehatra rehetra manerana ny nosy. Samy manangona olona marobe amin'ny alalan'ny fanentanana samihafa izy ireo ka miseho amin'ny endrika fanofanana anatin'ny fotoana fohy dia fohy ny tolotra omeny. Ny sasany indray mamporisika ny mpandray anjara hiroso amin'ny fanofanana lalindalina kokoa any amin'ny ivon-toerana.

Lasa tsy fantatra intsony noho izany ny lasim-panofanana mendrika ny atao hoe " formation de masse". Atrik'asa faharoa ity atao eto Antananarivo ity ka tanjona ny hanolorana lasi-panofanana iombonana momba io fanofanana andraisan'ny olona maro anjara io ary mbola hitohy amin'ny atrik'asa fahatelo.

Manohana ny FARMADA amin'ny atrik'asa ny fandaharan'asa FANAINGA-PLUS. Ny fandaharan'asa FANAINGA izay nanohana hatrany ny tetik'asa nentin'ny tambazotra FARMADA nanamafisana ny sehatr'asa sy ny tolotra fampiofanana omen'ny mpikambana ao aminy.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...