Nahitam-bokatra ny sehatr'asan'ny OSCEAH na ny firaisamonim-pirenena misehatra amin'ny rano, ny fidiovana ary ny fanadiovana tamin'ity taona ity. Miompana amin'ny zo fototra maha-olona ny rano, ny fidioavana ary ny fanadiovana ary ny fanadiovana ; ka niompana tamin'izany ny sehatr'asan'izy ireo. Manampy ny hisian'ny hay tantana koa izy ireo. Ny hanànana politika nasiônaly no asa voalohany natao. Misy ny dingana vita momba ny famolavolana azy io ary hivoaka ato ho ato amin'ity volana desambra ity. Sarotra hoy Andriamatoa Ravelosaona Arsène, filohan'izany firaisamonim-pirenena izany ny fametrahana azy...

Asa natao tamin'ity taona ity ny fanentanana ny olom-pirenena hikajy ireny foto-drafitr'asa iombonana ireny... Nanara-maso ny fivoaran'ny sehatry ny rano fisotro madio, ny fidiovana sy ny fanadiovana izy ireo.

Nidina ifotony, nanentana sy niantso ireo kandidà ho ben'ny tanàna sy mpanolontsaina ry zareo eo anivon'ny OSCEAH. Ny hametraka ho laharam-pahamehana amin'ny fandaharan'asan'izy ireo hanao izay fomba hisitrahan'ny vahoaka ao amin'ny kaominina iadidiany rano fisotro madio, ny foto-drafitr'asa momba ny fidiovana ary ny fanadiovana, raha tonga soa aman-tsara amin'ny toerany izy ireo no anton'ny fidinana ifotony.

Kaominina 30 eo ho eo no voakasiky ny hetsika natao nanairana ireo ho ben'ny tanàna hanao ho vaindohan-draharaha ny rano, fidiovana ary  fanadiovana. Noho ny fahitàna ny olan'ny rano mianjady amin'ny faritra maro eto amintsika no isan'ny nanosika ny OSCEAH hanao ny fanentanana hoy ny filoha lefitra Andriamitandrina Naivosoa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 febroary 2025

• Nanome hafatrafatra ho an'ireo mpitandro ny filaminana sy ireo miandraikitra ny filaminana eran-tany ny Papa François, nandritra ny fanamarihana ny Jobily 2025 ho azy ireo... • Hafatra ho an'ireo seminarista, indrindra ho an'ireo vao niditra taona voalohany, ao amin'ny Grand Séminaire Faliarivo Ambanidia, no natolotry ny Solontenan'ny Ray masina miasa eto Madagasiakara, nandritra ny Symposium notanterahana ny zoma sy ny sabotsy lasa teo... • Nanentana ny mpitandro ny filaminana hiahy sy hiaro hatrany ny ain'olombelona ny Papa François, nandritra ny toriteniny teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Piera, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...