Niova sata ny vovonam-pikambanana KOLOHARENA ka ho lasa orinasa mandala ny fikajiana ny tontolo iainana na "entreprise de conservation" manomboka amin'ity taona ity. Izay no tapaka nandritra ny fivoriana niarahany tamin'ny USAID Haitao mpiara-miombon'antoka aminy... 

 Afaka volana vitsivitsy no hiatra izay maha orinasa ny Koloharena izay ka fanamby hotratrarina manomboka eo ny fahafahana mamelon-tena fa tsy iantehatra amin'ny mpamatsy vola intsony amin'ny fampandehanana ny raharaha anatiny. Hikajy ny tontolo iainana ihany koa amin'ny sehatr'asa fambolena sy fiompiana tanterahan'ireo mpisehatra ao aminy...

Mikasa hamerina ny fanondranana ny varin'i Dista any ivelany ihany koa ato ho ato ireo kaoperativa misehatra amin'ny vary ao amin'ny Koloharena, izay hivadika ho orinasa ny sata mifehy azy ato ho ato. Nihato mantsy izay fanondranana izay raha toa ka efa nahita lalam-barotra tany Etazonia ny Koloharena talohan'izay, toa izany koa ny tany Italia...

Tsy ny vary ihany fa misy ihany koa ny lalam-barotra ivelany ho an'ny voamaina toa ny tsaramaso hoy ny filoha nasionalin'ny Koloharena, Jules Randrianarivelo. Efa nanondrana varin'i Dista tany ivelany tamin'ny alalan'ny kaoperativa Volamiharina ny Koloharena. Ny voalohany 25 taonina ary ny faharoa 50 taonina ka tany Colorado Etazonia no nanondranana ny vokatra. Efa nandray ny vokatr'izy ireo koa ny tany Italie. 20 taona mahery nilofosana tamin'ny fampivoarana sy ny fampandrosoana ny teny ambanivohitra ny Koloharena.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...