Naneho firaisan-kina namboly hazo tao amin'ny fokontany Ambohimanatrika Kaominina Mahitsy ato amin'ny distrikan'Ambohidratrimo ny Ivon-toeram-panofanana CEDAR eto amin'ny faritra Analamanga... 

Fambolen-kazo natao tao amin'ny Ivon-toerana CEDAR Vohintsoa ny zoma 19 febroary lasa teo, niarahana tamin'ireo tantsaha manodidina sy ny tanora mpiofana momba ny famokarana eny ambanivohitra volavolain'ny CAFPA ao Mahitsy. Fambolen-kazo amin'ny endriny vaovao no novoizina, dia ny alan-tsakafo, isan'ny mamaritra ny fambolena maharitra na ny Permaculture ihany koa hoy Ramatoa Antso Tania Randrianasolo Mahefarilala, tompon'andraikitry ny Vohintsoa.

Aingavao ho an'ny Fokontanin' Ambohimanatrika ao amin'ny Kaominina Mahitsy ny fivoizana ny fampandrosoana ao aminy, isan'izany ny fiarovana ny tontolo iainana ka vonona hifanolo-tanana amin'ny ezaka natao izy ireo hoy ny filohan'ny fokontany Rakotondravelo René. Hitohy any amn'ireo ivon-toerana samihafa atao amin'ny faritra Analamanga misy ny CEDAR ny fambolen-kazo. MIsy ny tanjona kendrena hoy ny mpandrindra Eddy Rasoamaharo dia ny fizarana ny traik'efa amin'ireo tantsaha manodidina.

Nosokafana tamin'io andron'ny fambolen-kazo ny zoma 19 febroary eto io ihany koa ny tanin-janakazo ao Vohitsoa ka afaka mividy zana-kazo amin'ny vidiny mirary ny mponina ao Mahitsy.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...