Mbola tsy miverina amin'ny toerana nisy azy teo aloha ny lalam-pihariana ronono any Vakinankaratra taorian'ny krizy nitranga tamin'ny heritaona. Manahy amin'ny ho avin'ny lalam-pihariana ihany koa ny mpiompy manoloana izao andiany faharoa amin'ny valan'aretina covid izao... 

Anarana sisa maha omby vavy be ronono ny omby ompian'izy ireo hoy Andriamatoa Raherisoa Edmond Philippe, avy any Betafo. Ny masonkarena no tena olana ho an'ny mpiompy omby vavy be ronono any Vakinankaratra, hoy ity filohan'ny kaoperativa KOPRATA, mpiompy omby vavy be ronono ity. Ny filàna amin'ny famokarana betsaka dia betsaka nefa ny vidin'ny ronono tsy mahafapo. Misondrotra avokoa mantsy ny vidin'ny provandy na ny masonkarenan'ny fambolena vilona koa aza. Olana hafa ihany koa hoy Andriamatoa Raherisoa Edmond Philippe ny fampitomboana taranaka izay mitombo ihany koa ny fanatanterahana azy....

Manamafy izay voalaza izay koa Andriamatoa Raveloarijaona na Ravelo mpiompy omby vavy be ronono ao Antsirabe. Ho azy tsy laharam-pahamehana ny tohana momba ny fanofanana ny mpiompy fa ny fanampiana azy ireo amin'ny sakafon'ny biby fiompy no tohana mety indrindra...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...