Marihana isaky ny 22 Avrily ny andro iraisam-pirenena ho an'ny tany. Andro natokana ho fanentanana ho fampiharana ireo fepetra isan-karazany hisitrahana ny zo momba ny fananan-tany sy ny fanakanana ny fihetsika rehetra amin'ny fahapotehan'ny ala sy ny fanaovana ny doro tanety. Isan'ny misehatra amin'izay fanajàna ny zo momba ny fisitrahana tany izay ny ONG Fiantso Madagasikara... 

Ho an'ny ONG Fiantso Madagasikara ny tsy fisitrahana fananan-tany no olana goavana eny amin'ny tontolo ambanivohitra. Ny 80% ny tantsaha mantsy no tsy misitraka tany misoratra amin'ny anarany eto Madagasikara hoy Andriamatoa Harimanga Abel. Na dia misy aza ny fanambarana momba ny zon'ny tantsaha nolaniana nandritra ny fivoriamben'ny firenena mikambana ny 17 desambra 2018 momba ny fisitrahan'ny tantsaha ny tany, dia azo lazaina fa mbola sarotra ho an'ny tantsaha ny misitraka izany.

Namelabelan-kevitra momba ny anjara toeran'ny fanabeazana eo amin'ny fiovan'ny toetr'andro sy ny tontolo iainana koa ny teo anivon'ny Sehatra Iombonana ho an'ny Fananan-tany na ny "SIF" ho fanamarihana izay andro iraisam-pirenena ho an'ny tany izay. Lohahevitra novoizina : "ny anjara toeran'ny fanabeazana eo amin'ny fiovan'ny toetr'andro sy ny tontolo iainana". Tokony apetraka eto amintsika ny drafitra fanajariana ny tany, mba ahazava amin'ny rehetra ny lalana izorana amin'ny fampiasàna an'i Madagasikara ho an'ny tombotsoan'ny Malagasy. Hevitra aroson'ny Sehatra Imbonana ho an'ny Fananan-tany "SIF" hiatrehana ny ho avy manoloana ny zava-misy ankehitriny.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...