Ao anatin'ny fihotazana lavanila ny faritra sasany mpamokatra izany amin'izao fotoana izao. Nampanarahana amin'ny teknikam-pambolena ny daty fihotazana lavanila eto Madagasikara... 

Mba ho kalitao tsara sy hamaly ny fenitra takian'ny tsena iraisam-pirenena ny lavanila malagasy no anton'izany. Misy ny daty voatondro hihotazana ny lavanila ary miovaova isaky ny faritra izany. Mihemotra hatramin'ny faran'ny volana jona ny fihafaran'ny fanondranana lavanila eto Madagasikara ka ho hentitra amin'ny fanaraha-maso ny fotoana voatondro ho fihotazana ny Fanjakàna.

Natao izany mba hialàna amin'ny fanararaotana amin'ity seha-pihariana mampidi-bola ny firenena ity araka ny fanazavana nataon'ny ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono Ranarivelo Lucien. Nambarany ankoatra izay fa tombotsoa ho an'ny rehetra no ampiharana ny fepetra.

Efa misy moa ny faritra ao anatin'izany fotoam-pihotazana izany ankehitriny, isan'ny nisantatra izany ny tany Dianà sy Sofià iny.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...