Ao natin'ny "TENY" dia misy hery miafina, koa tokony hitandrina isika amin'ny "teny" lazaina : mety ho tso-drano ary mety ho ozona. Ny teny dia endrik'Andriamanitra ao amintsika olombelona noho izany dia tokony ho "TENY" famporisihana mitondra soa ho an'ny hafa no hatao fa tsy fandatsana sy fandrabirabiana. Ady lehibe ny ady ara-toekarena koa samia miezaka sy manome lanja ny haren'ny firenena... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny fototra iorenan'ny fanabeazana dia ny fifampatokisana, ny fahamarinana ary ny fitiavana. Ny fifampatokisana dia mampandroso sy mampivelatra ny ankohonana ; itsy voalohany koa dia mampirindra ny fiaraha-monina. Ny fifampitokisana dia mampisy fifanakaikaizana am-po amin'ny alalan'ireo fifampiresahana, fifanankalozan-kevitra, fiarahana manao zavatra... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Manana adidy ny hanarina ny fiaraha-monina ny tsirairay ; ny rehetra rahateo dia samy voakasiky ny hodidina telozoron'ny fanabeazana. Ireo mandrafitra ny telozoron'ny fanabeazana dia : Ny mpampianatra sy ny mpanabe, ny ray aman-dreny sy ny fiaraha-monina, ary indrindra ny Mpianatra tenany. Efa taon-jato roa no nisian'ny finoana kristianina teto Madagasikara fa indrisy mbola ezaka goavana ny fampandalàna ny fahamarinana sy ny fametrahana ny fahaiza-mitarika... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Maro ireo soatoavina malagasy tsara sy azo iainana ary nampiavaka ny mponina teto amin'ity nosy Madagasikara ity. Soatoavina mampandroso toa ny Fitiavana, Fahamarinana, Fihavanana. Tsy maintsy ny Malagasy rehetra anefa no miara-miaina ireo soatoavina ireo mba hisian'ny fandrosoana azo antoka. Manana ny lanjany ny fanabeazana, koa mila mivonona ny ray aman-dreny hanoro lalana mahitsy ny zanany, indrindra handala ny soatoavina... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco