Manana ny anjara toerany lehibe ny tantaram-pirenena, izay mamolavola sy manomana ny olom-pirenena vanona, mahalala ny toerana sy ny andraikiny ary ny adidiny eo amin'ny firenena. Zava-misy ankehitriny anefa maro ny olona no tsy mahalala ny tantaran'ny firenena. Ny olona verezin-jo, ara-toekarena, ara-pitantanana, ara-panabeazana sy amin'ny lafin-javatra samihafa dia toy ny miaina ao anaty fanandevozana amin'ny endriny vaovao... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
65 taona namerenana ny fahaleovan-tena ho an'ny Malagasy dia manalasala ihany. Raha oharina amin'ny fahaveloman'ny olona iray dia olona efa anatin'ny vanim-potoanan'ny maha ray aman-dreny, manana traik'efa sy afaka mampita soatoavina amin'ny manodidina sy ny ankohonana. Ny hoe "tanindrazana" dia tsy ilay tany ihany fa ny vohoaka eo aminy ihany koa. Fahaleovan-tena toy ny ahoana anefa no misy, ara-pifandraisana sy ara-piarovana, ara-toekarena? Ny fanatanterahana ny filan-kevitry ny ministra mitety Faritra dia taratry ny fahaiza-miaina... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny sehatra mampivondrona sy mampifandray dia ny Fiangonana, mahay mifandefitra, mahay mifankatia, mahay mifanaja. Ny fetim-pirenena dia toa ny "andro fandroana", fotoana fifamelan-keloka, fotoanan'ny fampihavanana, fotoana famadihana pejy indrindra raha nisy zava-dratsy niainana. Ny tsy fananana fotoana hifampiresahana amin'ny manodidina dia mahatonga fiolonolonana ; etsy ankilany ny "fahaiza-mihaino" dia endriky ny fanehoana fitiavana, fanomezan-kasina sy lanja ny manodidina... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny volana "JONA" dia fotoana natokana hanehoana ny fitiavan-tanindrazana, ny antoky ny fampandrosoana ny firenena dia io fitiavan-tanindrazana io. Ny volana "JONA" dia volan'ny Fanahy Masina, fanilo mitantana sy manoro lalana ny tsirairay ; fa volan'ny tafika Malagasy ihany koa ny volana "JONA", mampiavaka azy koa ny maha iray volan'ny ankizy azy. Ny iray volan'ny Teny Malagasy dia afahana manasongadina ny fitiavan-tanindrazana ihany koa ... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
• Tontosa ny 4 sy 5 aogositra ny fihaonana voalohany nataon'ny SCEAM ho fanomanana ny "Fihaonam-ben'ny Eglizy 2028"... •Tanterahana ao Befandriana Atsimo ny JMJ 7 ao amin'ny Diosezin'i Morombe... •Fanehoana fanantenana ny vavaka hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco