Ilaina ny fanokanana fotoana ho an'ny fianankaviana. Ny fotoana manokana, eo amin'ny mpivady, eo amin'ny mpianaka dia endriky ny fanehoam-pitiavana. Io fanokanana fotoana io dia mampifanakaiky am-po, sy hanova tanteraka ny rivo-piaraha-monina. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Aoka hiainantsika isan'andro ny teny famporisihana mba hahatonga antsika ho tompon'andraikitra ary ho tonga biriky handrafetana ny trano mampivoatra sy mampandroso ary mampivelatra. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Isika tsirairay avy no biriky mandrafitra ny rindrin'ny tranom-pahavanonana. Aoka harisika isika hanao jeritodika ny tontolo androm-piainana ary entina ao amin'ny vavaka izay atao amin'Andriamanitra. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Mba hampirindra ny fiainana ao an-trano dia ilaina ny teny fampirisihina eo amin'ny mpivady sy ny mpianaka. Ny fanaovana jeritodika ny tontolo andro dia zava-dehibe amin'ny fiainana ary ampidirina amin'ny vavaka hatao. Mirindra ny fiainana rehefa miaraka miatrika an'Andriamanitra ny mpianakavy. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco