Mila mahay manome fitiavana sy mandray fitiavana isika. Mila fandinihantena izany rehefa mifarana ny tontolo andro. Tena fanazarantena ilaina izany hanatsara ny fiainantsika sy ny manodidina antsika, ary mamporisika antsika hifandray amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny vavaka. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

Maro ny loha-hevitra noresahina nandritra ny taom-piasàna 2020- 2021 teo iny. Hofintinina amin'ny hoe : ny fiantraikan'ny fifandraisana , ny fifanakankaizana am-po, eo amin'ny olona hafa sy ny tena manokana. Ny fitiavana, ny fahamarinana ary ny fifampitokisana no sakafon'ny fo, ka rehefa tsy misy ireo dia tonga any amin'ny faharerahan-tsaina. Ohatra ireo fa maro ireo fomba hampivelarana ny fifankatiavana sy hamahana ny olan'ny mpivady sy ny fianankaviana. Mirary soa, " MBA HO VANONA" isika rehetra.

Tsy tokony atao sakana ny elanelan-taona misy amin' ny mpivady. (09-06-2021)

Ilaina fantarina ny toetra maha izay sy ny maha izy ny olona ho vadiana. (02-06-2021)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...