Ny fahafantarana ny tantara dia isan'ny kitro ifaharan'ny Firenena sy ny fampandrosoana. Ezaka tsara tokony hatao ny fampidirana eny amin'ny sehatry ny fanabeazana sy ny fampianarana ny fampahafantarana ny tantaran'ny Firenena. Ny fananganan-tsaina dia mariky ny fahaleovan-tena, anefa isika ihany no tompon-tsafidy farany, na tena hiaina fahaleovan-tena tena izy isika na mbola hiankin-doha amin'ny hafa hatrany. Ny fifanajana sy ny fanajana dia fahendrena Malagasy, fototry ny fitiavana ary mahatsara ny rafi-piaraha-monina... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny volana jona dia 30 andro ho fankalazana ny fetin'ny fahaleovantena, ary indrindra ho an'ny teny Malagasy. Antom-pisian'ny 1 volan'ny teny Malagasy dia ny fanomezana hasina ny teny Malagasy. Ny tany, ny teny ary ny tantara dia mifandray ary mifamatotra amin'ny fiainan'ny firenena ary tombony afahana mampandroso sy hizorana any amin'ny fanavaozana. Anatin'ny volana jona no afahana maneho ny tena fitiavan-tanindrazana ka isan'ireny ny fananganan-tsaina Malagasy. An-dalana ho any amin'ny repoblika fahadimy isika anefa tsara ny mampatsiahy fa ny Lalàm-panorenana dia tokony hajaina sy omen-kasina... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

54 taona aty aoriana, toy ny taranaka roa mifandimby, 13 mey 1972 : fotoana nampiharihary ny tsy fifampitokisana teo amin'ny mpitondra sy ny vahoaka; hetsika nanome sy nametraka kianja ho an'ny fanehoan-kevitra dia ny kianja eo Analakely. Teny filamatra miisa telo no afahana manorina fiaraha-miasa sy fiaraha-monina tsy misy raorao: Fifampitokisana, Fahamarinana, Fitiavana. Mba ho fiarovana ny taranaka sy ho arofanina amin'ny rivotry ny "Saina voatran'olombelona" dia ilana ny fanokanana fotoana hifampiresahana mivantana ao an-tokantrano, fiarahana mialavoly... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny fanavaozana dia mila fifampatokisana, fahamarinana ary fitiavana. Ilaina ny fametrahana fitsipi-pifehezana mba hisorohana ny fifanipahana. Ny fanambarana hita eny amin'ny tambazotra sôsialy dia sintona lakolosy fanairana sy fampitandremana ary tena fitiavana hampandroso, indrindra raha tena matotra sy marina ny vaovao atosany fa tsy fakom-baovao na hitondra korontana. Miankina amin'ny fanabeazana sy ny sandam-bola ny fandrosoana satria ireo dia mahakasika ny olom-pirenena tsirairay mivantana... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...