Ny ivon-toerana Arrupe Madagasikara dia mandray anjara amin’ny fanentanana ny olona mba hanjakan’ny fandriam-pahalemana ny vanim-potoana hiomanana sy hanatanterahana ny fifidianana eto amin’ny nosy. Fomba iray hanatanterahana izany ny hazakazaka ho an’ny fandriam-pahalemana sy filaminana amin’ny 24 septembra eto Antananarivo hanasana ny olom-pirenana sy ny tia fandriam-pahalemana rehetra. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
Hatao eto Antananarivo ny Fihaonambe Nasiônalin'ny Ankizy andiany faha-3 na JNE Mada-III, manomboka ny 26 jolay hatramin'ny 30 jolay 2023. Tsy maintsy hamafisina ny fanomanana. Mifanindry ny fotoana hanatanterahana ny JNE sy ny vaksiny faobe ka izay no ilana ny fanentanana. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-terana Arrupe Madagasikara.
Ny fitiavana no nanosika ny olon-droa lahy sy vavy hivady, ho lasa Ray sy Reny ary manana andraikitra feno eo anivon’izany tokantrano izany. Tsy mandeha ho azy ny fandraisana ireo andraikitra ireo fa mitaky fitiavana lehibe kokoa hatrany, mitozo ho lasa fanompoana sy fanetren-tena ary fanoloran-tena ho an’ireo tiana. Samy manana ny anjara toerany tokoa ny ray, ny reny ary ny zanaka : ny fifamenoana sy ny fifanampiana amin’izany anjara toerana izany no manampy ny tokantrano iray hahita fahombiazana. Manampy ireo olona miaina ao aminy hivelatra, hahay hitia, haneho hevitra ary hifanaja. Zava-dehibe ho an’ny fahasambaran’ny tokantrano izany Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-terana Arrupe Madagasikara.
Re tetsy sy teroa, ary miharihary tsy takona afenina ny fisian'ny tranga-na fidorohana toaka sy fandraisana zava-mahadomelina eo amin'ny tanora. Misedra olana goavana ny fiaraha-monina noho izany tranga izany, koa rariny raha resahana manokana ity loha-hevitra ity, mba hikatsahana vahaolana maharitra. Manana adidy amin'ny fikatsahana izany vahaolana izany ny tsirairay. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-terana Arrupe Madagasikara.
Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco