Rehefa tsapan'ny vahoaka tsirairay ao anatin'ny firenena iray fa azy ny fireneny dia miezaka izy manao ny anjara tandrify azy hahatsara azy, hahasoa azy, na dia hamoizany ny ainy aza. Tsy manana fahamendrehana ny olona tsy misy tanindrazana, tsy misy faneva, tsy fantatra avy aiza. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara, tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Miaina andram-piainana fihetseham-po miovaova sy mahery vaika ny zatovo. Zava-dehibe ny fahaizana mitantana ny fihetseham-po. Mety hitarika fahavoazana ny tsy fahaizana mitantana azy, ary manampy amin'ny lafim-piainana maro ny fifehezana azy. Ahafahana manana fomba fijery miabo sy mandray fanapahan-kevitra tsara ny fahaizana mitantana ny fihetseham-po...

Andao isika hiombom-po, saina, fanahy miaraka amin'ny renim-pianakaviana mijaly noho ny aretina. Ny vehivavy renim-pianakaviana ka valaky ny aretina dia mijaly ara-batana, ara-tsaina ary ara-panahy. Mila fanohanana koa ara-batana, ara-tsaina ary ara-panahy izy ireny avy amin'ny ankohonana, ny fianakavina, ny fiaraha-monina indrindra ny mpiasan'ny fahasalamana. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

Ny toe-po, toe-tsaina sy toe-panahy entina manorina ny tokantrano no antoka sy fototra mampaharitra  azy. Mila fiomanana, fantarina, ary volena izany toetra izany fa tsy mandeha ho azy. Zava-dehibe ny mahafantatra fa tsy mitovy amin'ny fiainan'ny mpitovo ny fiainan'ny mpivady. Ny fanorenana tokantrano dia fanohizana ny fahariana, izay tso-drano avy amin'Andriamanitra. Maro ny adidy sahanin'ny mpivady manoloana izany iraka izany. Ny fanatanterahana izany no fiainana ny hasambarana ety an-tany. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...