Ny fiainan'ny mpivady dia voafaritry ny zavatra maromaro ka ny firindrany dia vokatry ny fifampitondrana sy ny safidy ataony. Isan'ireny ny fanapahan-kevitra hanao ny fandrindram-piterahana manaraka ny rafitra voajanahary. Izany dia manosika ny mpivady hifanakalo hevitra matetika, hifankafantatra ny toe-batana misimisy kokoa. Noho izany ny fifampiresahana mialohan'ny fanapahan-kevitra sy ny fiainana ny safidy niaraha-nanapaka dia simenitra manamafy ny fifankatiavana. Mitaky fandraisana andraikitra hatrany ny safidy izay atao, anisan'izany ny fitsinjovana ny ho avin'ny tokantrano sy ireo taranaka. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...