Ny fanabeazana ny lafiny ara-po, fitiavana eo amintsika olombelona. Ny saina no mahatonga ny olona hahay handanjalanja ny mety sy ny tsy mety. Ny fo dia afahantsika olombelona maneho fitia. Ny fihetseham-po dia tonga tsikelikely ao amin'ny olombelona, ary mitoetra sy maharitra ; ny fientanam-po dia tonga eo ny eo ary tsy mateza, izany hoe mandalo. Sarotra ny fanabeazana sy ny fandraisana ny fanabeazana raha vao tsy hay ny mifehy ny fientanam-po. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny zoma 29 marsa no fahatrsiarovana ny tolom-panafahana ny Malagasy. Manana anjara toerana lehibe ny vehivavy manoloana ny tolom-panafahana sy ny fitiavana tanindrazana. Tanjona ny hampahafantarana ny zava-nisy tamin'izany taona 1947 izany, ary manana adidy amin'izany ny vehivavy satria koa ny ao an-tokantrano no hiantombohan'ny fanabeazana ny taranaka. Nanomboka ny 6 Aogositra 1896 dia lasa zanan-tany frantsay isika. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny fanabeazana eo anivon'ny ankohonana dia antoky ny fivelaran'ny zanaka, ary manana anjara toerana lehibe amin'izany ny vehivavy. Ny vehivavy mijanona, miasa ao an-trano dia afaka miarina sy miray hina hampandrosoana ny firenena. Misy voka-tsoa ny fijanoan'ny vehivavy na ny reny miasa ao an-trano, isan'ireny misy hafanana sy maresaka mandavantaona ao an-trano, mitombo kokoa ny fifandraisana. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Tsy misy "fièvre jaune" eto Madagasikara fa matoa mavomavo ny hoditra na ny maso na ny tanana dia satria misy fiparitahan'ny ranon'afero ao anatin'ny lalan-drà. Raha ny fambara "ngorongosy" no mitranga amin'ny olona iray dia tokony hamonjy tobi-pahasalamana haingana ; tsy maintsy manao fialantsasatra tsara ny olona tsy salama, satria tsy tomombana ny asan'ny aty raha toa ka reraka. Ny hepatita "A" dia mifindra amin'ny alalan'ny zavatra miditra ao am-bava, avy amin'ny sakafo. Fambara : miloko mavo ny faritra amin'ny vatana, mandoa miloko, fiakaran'ny hafanana. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco